Reko mibitsika mangina

Antokom-pihira Vetson'i Siona

Reko mibitsika mangina


Ref: Reko mibitsika mangina
Ato am-poko Andriamanitra hoe
Zanako ô, aza malain-kihaino ny marina
Fa sao ianao potraka ka tsisy mpanarina
Fa làlana iray no aoka hizorana
Dia ny làlam-pahamarinana


I. Mitenena Tompo ô
Fa mihaino ny mpanomponao
Ekenay Andriamanitra ô
Izany antsonao izany


II. Vonona aho Tompo ô
Handray ‘zay voalazanao
Hamirapiratra,
Ny voninahitrao


III. Raha mifoha maraina aho
Dia mahatsiaro ny anaranao
Voninahitra ho anao
Ry Tompo Andriamanitra ô


© Vetson’i Siona


·