Rehefa tsy anjara

Bapasy

Rehefa tsy anjara


(MbĂ´ssa) :
Manembona anao ireo fiarahana
Mamy loatra akia na dia tafasaraka
Tsy mety adino, ireo soa nifanaovana
Fa tsaroana foana ireo androm-piainana


Avant-refrain :
Niezaka isika roa
Nifankatia tokoa
Nifanome toky hiara-dia
Ny ho sambatra ho doria


Refrain:
Rehefa tsy anjara, ilay fitia izay nokasaina (rehefa tsy anjara)
Na dia nikiry tokoa, fa tena isika ilay niray fo
Rehefa tsy anjara ilay fitia izay nokasaina (rehefa tsy anjara)
Ilay tsy nifankafoy, voatery nifamoy, tsy nifankahita intsony… (x 2)


(Bapasy) :
Tena mafy ho ahy ny manadino anao
Dia natolotrao ilay fitia tao anatiko ao
Niezaka nanadino, tsy hitodika ireo lasa
Fa nefa anie tsy ahy, mampatsiahy ny tsy voafafa


Ilay tsikitsikinao, ilay sangisangy fanao
Ilay tambitambinao, ilay fitia tsy nety nankalao…


Album: “Courage foana” (2006)


·