Rehefa tia

Ny Nanahary

Rehefa tia


Be dia be ny adin-tsaina rehefa tia
Mitebiteby miferinaina rehefa tia
Kivikivy indraindray, velombolo rehefa injay
Ny olon-tiana no mibaboka fa tia


Tsy tambazana harena ny fitia
Tsy midika ho faharesena ny mitia
Na trano bongo aza! rehefa tia rehefa tia
Dia mampiova ny fiainana ho fy


Fiv:
Ka nahoana moa isika raha miombona fitia
Maninona ary isika moa e! raha mifankatia?
Dia hiaraka eny isika raha izany no tianao
Hiaraka eny foanafoana raha tianao


Ny fihetsikao rehetra rehefa tia
Entinao hambabo ahy mba ho tia
Io fijerinao io aza rehefa tia x2
Manambara fa tia ahy tena tia


Safosafo, teny mamy rehefa tia
Mifandefitra hatrany rehefa tia
Orokoroka mamy be, tambitamby be dia be
Tia anao aho, tia anao e, tena tia


·