Rehefa miaraka Aminao
Akom'Peo
Rehefa miaraka Aminao
Raha vao mifoha maraina aho
Mameno ahy ny Fanahinao
Ka tsapako fa velona aho
Ny anaranao ao am-bavako
Mavoavaha ny olako
Manokatra ny lalako
**Feno, feno Anao ny fiainako, ny tenako
Ny fiderana atolotray tsy ho ritra izany
Hanerana ny vazan-tany, fa tsy eto ihany
Tsy ho eto ihany
Dia mbola feno fifaliana
Tontolo androm-pitsikina
No hiainako ao Aminao
Ny takariva hiderako
Ary koa ankalazako
Ny Anaranao Masina
**Feno, feno Anao ny fiainako, ny tenako
Ny fiderana atolotray tsy ho ritra izany
Hanerana ny vazan-tany, fa tsy eto ihany
Tsy ho eto ihany