Rehefa ianao no eo

Melky

Rehefa ianao no eo


Fa ny antsika roa
Efa ela tokoa no nitsiry
Fitia tao anaty


Na teo aza nefa
ireo nandrara namefy
Te handrava
Ilay fitia lalim-paka


Efa natolotro ho anao tokoa mantsy anefa
Ilay fitia tsy hanam-petra


Fa ny foko no mitempo
N’iza n’iza hanakiaka ahy tsy ho reko
Fa tsapako hoe sambatra aho, tsy asiako sento
Ianao no nekeko


Ianao no nofidiko
Fitia mandra-maty no faniriako
Ho foana hangina hatreo ny toreo
Rehefa ianao no eo


Nifampitady teny
Samy nirenireny
Sedrain’ny tany
Fa tanteraka ihany


Tena mafy tokoa
Raha hoe hisara-droa tsy ho tanty
Efa latsaka anaty


Efa natolotro ho anao tokoa mantsy anefa
Ilay fitia tsy hanam-petra


Fa ny foko no mitempo
N’iza n’iza hanakiaka ahy tsy ho reko
Fa tsapako hoe sambatra aho, tsy asiako sento
Ianao no nekeko
Ianao no nofidiko
Fitia mandra-maty no faniriako
Ho foana hangina hatreo ny toreo
Rehefa ianao no eo


Fa ny foko no mitempo
N’iza n’iza hanakiaka ahy tsy ho reko
Fa tsapako hoe sambatra aho, tsy asiako sento
Ianao no nekeko
Ianao no nofidiko
Fitia mandra-maty no faniriako
Ho foana hangina hatreo ny toreo
Rehefa ianao no eo


Rehefa ianao no eo
Rehefa ianao no eo
Rehefa ianao no eo


·