Ray o! Mamela
doudou tovoarimino
Ray o! Mamela
Ray o mamelà , mamelà ny hadisoko
Ry Ray o , mpanota aho ka tsy mendrika ny foko
Ray o Mifona aho, hadinoy sy fafao
Ray o fitiavana antsoiko Ianao
Aza avela irery fa andrao dia malemy sy reraka ao an-dalana ao
Omeo ahy anio ny sandrinao ( Tsitoha)
(Omeo ahy ny sandrinao)
Ry Ray o mahantra aho menatra aho mangahiahy
Ry Ray o fitiavana antsoiko Ianao
Ray o miantrà , miantrà ty fo mahantra
Ry Ray o ny sandrinao hanasitrana ny ratra
Eny, hamela koa ireo ota natao
Ry Ray o fitiavana antsoiko Ianao
Omeo toky izao ny saiko re ry Raiko
Ho balisamako Ianao
Hanasitrana tokoa Ianao , ry Ray
(Hanasitrana Ianao ry Ray o )
Ry Ray o mahantra aho menatra aho mangahiahy
Ry Ray o fitiavana antsoiko Ianao