Ray o inty ny zanakao

Chorale Taratr'i Maria

Ray o inty ny zanakao


Ray ô ô ô inty ny zanakao
mitalaho miangavy anao ou ou ou
Ray ô ô ô mba sitrano aho
Amy kilema ratsiko aho ou ou ou ou


Ny kilema ratsiko sitrano
mba tsy hanambony tena
mba ho afaka amin’ny fitiavan-tena


Mitalaho Aminao aho ry Ray ô – Ray ô
mba sitrano aho – Ray ô
ka hahay hanetry tena – Ray ô
toa an’i Jesoa Zanakao ou ou ou ou


Ray ô ô ô inty ny Zanakao
mitalaho miangavy anao ou ou ou ou ou
Ray ô ô ô mba diovy ny foko
fenoy ny fitiavanao


Diovy ny foko Tompo
mba tsy gejain’ny fahotana
asa ratsin’ny satana a a


Mitalaho Aminao ry Ray ô – Ray ô
omeo fo madio aho – Ray ô
mba hahaizako mitia – Ray ô
toa an’i Jesoa Zanakao ôu ou ou ou ou ou


Ray ô ô ô inty ny zanakao
mitalaho miangavy Anao ou ou ou
Ray ô ô ô mba tohano amy herinao aho
hijoro ho tena zanakao ou ou ou ou ou


Mba tohano aho ry Ray ô
fa osa sy malemy aho
tsy tanteraka ny sitrakao


Mitalaho Aminao ry Ray ô – Ray ô
mba tariho amin’ny Fanahinao – Ray ô
hivelomako ny Teninao - Ray ô
toa an’i Jesoa Zanakao
Ray ô, inty ny zanakao
mitalaho, miangavy Anao


·