RAY MPAHARY

AMPIZIFA

RAY MPAHARY


Manerana ny zava-boahary
Ny fahavelomanao ry Tompo
Samy mandray amin’izany
Izay rehetra taratry ny famirapiratry ny voninahitrao
Ry Ray Mpahary ny hazavana
Nomenao avokoa ‘zahay, tsy ankanavaka


Mba inona no hasetritsika
Izany tara-pahazavana
Sa kosa ve mbola hangatsiaka
Na koa handairan’ny fanala
Jesoa anie miandry foana
Ny hafanam-ponao


Ry Ray Mpahary ny hazavana
Mamelombelona anay
Ny foko tano tsy hiala
Ho Anao mandrakizay


Toy ny masoandro migaingaina
Ny herin’ny Fitiavanao
Tsy hay tohaina, hidifiana
Manenika izao tontolo rehetra izao ka iza moa no tsy hahazo
Ry Ray Mpahary ny hazavana
Nomenao avokoa ‘zahay, tsy ankanavaka


Mba inona no hasetritsika
Izany tara-pahazavana
Sa kosa ve mbola hangatsiaka
Na koa handairan’ny fanala
Jesoa anie miandry foana
Ny hafanam-ponao


Ry Ray Mpahary ny hazavana
Mamelombelona anay
Ny foko tano tsy hiala
Ho Anao mandrakizay
Ny foko tano tsy hiala
Ho Anao mandrakizay


AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)


·