Ray Malala

Feo Fi APU Am

Ray Malala


Jehovah Ray Malala o, mivavaka aminao aho
Mba hodiovinao ity foko ho lapanao
Ny amiko rehetra omeko tsisy fetra
Mba hanompoako Anao ry Ray
ho voninahitrao


Fiv: Omeo fo mino Anao Ray o
Mba hahay manao ny sitrakao
Koa hamasino avokoa
Ny tena, saina sy ny fo
Omeo fo mino Anao Ray o
Mba hahay manao ny sitrakao
Ka dera no atolotro Anao ry Ray


Jehovah Ray Malala o, mivavaka aminao aho
Mba hodiovinao ity foko ho lapanao
Ny famindramponao no hitsinjovanao ahy
Ny Fanahy Masinao ry Ray
no hitari-dalana ahy


·