Ray ô

Nono

Ray ô


RAY Ô - Nônô (Roland Rakotondrainibe)


Ray ô!
raha tsy misy ve ny alahelo
mandrotika mamelovelo
dia tsy mba hivavaka
aminao


raha tsy misy ve ny andradraina
mahasoa sy mety ilaina
dia tsy mba hahatsiaro
ny anaranao


fa ianao irery (ianao irery, No)
No mba tiany hijery (mba tiany hijery, houuu)
ny fahoriana sy hakiviana


Tsy ho haiko ny hitantara
Sy hizara aminao
ireo tomaniko nafeniko
hatramin’izao


fa ianao irery (ianao irery, No)
No mba tiany hijery (mba tiany hijery, houuu)
Ireo andro mbola hiainany


fa raha toa ka sitrakao (Sitrakao)
Ray o! omeo ireo mitalaho (Mitalaho)
Ny zava-tsoa izay niriany(izay iriany)
Nokasainy sy mba tiany (Sy mba tiany)


Raha toa ka sitrakao (Sitrakao Ray ô)
Omeo ireo mitalaho (Mitalaho)
Ny zava-tsoa izay niriany(izay iriany)
Nokasainy sy mba tiany (Sy mba tiany)


·