RAVITOTO
Mpanazava sy Tily eto Madagasikara
RAVITOTO
Fony mbola bandikely
Skoto mbola kelikely
Dia mba nianatra nilasy a
dia tao an’ala no nidasy a
Vilaninay malotoloto malotoloton-dravitoto
fa revenay milaaaay
dia ohatrizay lay lasinay
Loakanay mangidy sira
hoaninay mihirahira
varinay lazaiko anao
fa manta mohaka izy izao
manodidina jerena
feno tanty marobe
ao zahay no matory
dia mifandimby miaritory
nisy bandy anakiray
rain’ny tetaka izy izay
nefa izy dia milay
mazoto maka kitay