Raozy maria

Ramahafadrahona

Raozy maria


Raozy maria e, eny a eny a o
Lazalazao amin’ny dadan-driako a
Ambarambarao amin’ny maman-driako a
Nisento hono hoe lay nolavinareo
Ventson’ny manina mbola tia oah


Ny fitia e ry lahy,
Tsy hanan-tsahala e reroy
Ny fitia koa raha tsy voatandrina
Manadala, ary manadala


Raozy maria e, eny a eny a o
Saino retsy ny fanamby
Ny fitiavako akia feno tambitamby
Satriko foana hahita anao
Ny fitiavana akory tsy kilalao


Ny fitia e ry lahy,
Tsy hanan-tsahala e reroy
Ny fitia koa raha tsy voatandrina
Manadala, ary manadala


·