Raozy hirain'ny fanahy

Jon Mos

Raozy hirain’ny fanahy


Tsy ho afaka an-tsaina ka indro ho hiraina
Reo lasa rehetra hatrizay
Ka indro an-kira noho ny hafaliana
No entiko misaotra anao
Novetsovetsoiko ireny nataoko an-kira iray
Ho anao satria tiako ianao
F’ilay fitiavanao no nasehonao ahy
Namadika tantara iray  


Indro ny foko raiso ho anao
Ka aoka ho anjakanao ny fiainako
Aza avelanao hangina indray
’lay raozy hirain’ny fanahy


Ny iriako hitoetra eo anilanao
Ny alina aho irery ka lavitra anao
Ny fitiavanao no mitoetra
Tsy voafaritro mihitsy ato an-tsaiko ato
Banga ny fiainako raha tsy eo ianao
Aiza ianao mila anao anie aho
Ilay voninkazo roa no hitambatra ho iray
Dia tiako ianao raha toa ahy


Indro ny foko raiso ho anao
Ka aoka ho anjakanao ny fiainako
Aza avelanao hangina indray
’lay raozy hirain’ny fanahy   


Eh! ry voromailala ô
Toa reko any ho any
Manintona aok’izany
Mba aoka aho handre ny feonao
Fa mamiko loatra ny hahita ny endrikao


Efa fantatro izao fa teo ihany ianao
N’inona iseho izaho mahatoky anao
Ny ampitso koa mbola manantena ihany aho


Indro ny foko raiso ho anao 
Ka aoka ho anjakanao ny fiainako
Aza avelanao hangina indray
'lay raozy hirain'ny fanahy (x2)

Single dans ‘‘Album 2 '


·