Ranon’aina izay tena mateza 0025
BOKIN-KIRA FIDERANA
Ranon’aina izay tena mateza 0025
1 Ranon’aina izay tena mateza
Ao an-tampon’i Kalvary;
Saro-dàlana sady mideza, Nefa kosa tsy lavitra anao,
Fiv Ranon’aina tsara loatra
Mora azon’ny maniry azy re
Tsy mba eto fa any an-koatra
‘Zay tafiditra ao dia tretrika tokoa
2 Loharano tsy mety ho ritra,
Fa mahariira mandrakizay; Manadio ny loto rehetra;
Nefa kosa tsy lavitra Anao
3 Ny fitiavan’i Jesosy Tompo,
No manolotra io rano io
Dia ho afaka izay mampisento
Hatak’andro, tapaho anio
4 Tonga Jeso hamonjy ny maro
‘Zay mibebaka ô! matokia;
Ny fanahy nirahin’ny Tompo,
Hanadio ny ota ao am-po.