Ranomason’ny omaly

Ikalalila

Ranomason’ny omaly


Iny fa tazako mikoriana
Mikodia manaraka indray ny riaka
Handeha hamonjy renirano any
Ilay ranomaso nalatsako omaly


Tongany any izay ilay hafatro
Ireo alahelo nampitondraiko azy
Nentiny an-dranomasina any
Mba ho atakalony soa sy mamy


Any izy izay nivadika onja kely
Izaho aty mba efa lasa netinety


Iny, iny ! Jereo fa midola
Entin’ny onja mihataka mora
Efa nosoloiny tsiky mantsy
Ilay ranomaso nalatsako omaly


Tononkira sy feony : Lila Ratoveloniaina


·