Ranomasimbe

Noro Andrianasolo

Ranomasimbe


Izy dia vita fanekena
Tsy mba novozonana,
Tsy notambazam-bola na harena ;
Fa ilay fitia volamena no hiombonana.
Izy tsy vitan’ny hoe tia
Fa mahafoy ny akaniny ;
Vonona handao ny tany maminy,
Minia manadino ny aminy
Ka manaraka anao.


Vonona hitety ranomasimbe,
Tendrombohitra aza harodany hono hoe
Fa tena tia,
Tia tena tia.
Vonona hisetra alon-drano
Tsy matahotra izay ho angano,
Fa lalina noho ny rano ny fitiavany anao.


Adaptation de Oceano de DJAVAN


·