Ramano be galona

Feo Gasy

Ramano be galona


Ny tanin-dRamano ô
Dia tany zanatany é
Ny tany tamin’izany
Mbola feno zanatany
Nanainga i Ramano ô
Tsy afaka nandà é
Nirongo basy lava
Nilanja barda a


Ady no naleha tsy anaovana kinanga e
Nitifitra na maty nefa olon-janatany
Naverina Ramano ô
Tsy maty nefa angano ô
Ny vanja zay nipoaka
Nanjanaka ny lohany


Galonan’dRamano ô
Dia nisy tena izy é
Fa nisy nampihomehy
Nampihoraka ny ankizy
Satria kapsily
Sy fatina bilao
Korintsana eny an-tratrany
Grade be tsy zakany


Nalevina omaly
Ramano be galona
Reo mpananihany
Nanjary nitomany


Ny tanin-dRamano ô
Dia tany zanatany

Mbola feno zana-tany
Ny tany tamin’izany


·