Raiso re ny tanako

Groupe Lalao

Raiso re ny tanako



  1. Manjaka ny haratsiana
    Miseho lany ny habibiana
    Tsy misy intsony ny fitiavana
    Jesôsy ô ! aiza Ianao izao ?


Raiso re ny tanako
Misaotra Anao aho Jesôsy
Nanaiky handray ny tanako
Fa na mandia haizina ny fiainako
Fa toa masoandro mibaliaka
Raha miaraka Aminao
X2
… … … … … … … … …



  1. Tsinjoko eny foana ilay sandrinao
    Mitsotra mihazona ahy tsy ho lavo
    ‘Zany rehetra izany tsy hahafoizako anao
    Amikirako Aminao


Havaoziko tanteraka Jesô
Ny fanolorantenako Aminao
Ianao no safidiko izao
‘Zay lalana mazava fantatro


Raiso re ny tanako
Misaotra Anao aho Jesôsy
Nanaiky handray ny tanako
Fa na mandia haizina ny fiainako
Efa miandry ahy lay fiainana kanto
Maharitra mandrakizay
X2


A/C : Lalao


·