RAISO RE
Kanton'ny Fanantenana - FLM Toby Fanantenana 67Ha
RAISO RE
RAISO RE !
Ho anao ry Raiko tia o ! no hanaovako izao vavaka izao
Manenina indrindra anie, mitalaho ny famindram-ponao
Fa zaza be faniasia, tsy mba niaino ireo anatrao
Ankehitriny Raiko tia, faniriako hody an-tratranao
Ray o ! mifona mivalo Aminao !
Raiso aho, havaozy fa te ho Anao !
Ireo ditrako taloha, hifonako avokoa
Mba raiso re !
Ho anao mandre izao hira izao no anton’ny nihaviany tety
Fa sarobidy anie ianao, ny ainy aza foiny mba ho anao !
F’ianao no minia tsy mandre, tsy mba miaino Azy miantso anao
Ankehitriny maneke ! fa ny Tompo efa miandry anao
Raiso Jesosy ho Mpamonjy anao !
Fiainam-baovao no homeny anao !
Vohay Izy izao hitoetra ao am-ponao
Mba Raiso re !
Fa fiainam-baovao
No hatolony Anao
Ka raiso re !
A/C : Ranto RAMBELOARISON
©Kanton’ny Fanantenana-2017