RAISO RE

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

RAISO RE


Moa ve Jesoa mendrika ahy
Izany fitiavanao
(satria)
Izaho mpanota rain-dahy
Moa ve mba ho raisinao?
He menatra aho satria
Mivily ary nania
Nanenjika ary tsy tia
Ny anao ny sitrakao Jesoa!


Jesoa raiso re?
Ny fiainako, Ny hoaviko
Ka na tsy mendrika aza
Ataovy mpanomponao


Ireo fahazaran-dratsy
Ovay ho mendfrika Anao (anio)
BNy fankahalana ratsy
Soloy fo vaovao
soloy ny fahendrena,
Mba ho mpanaraka anao
Ny tanjona ho kendrena
Ny hanao izay sitrakao (Jesoa)


Jesoa raiso re?
Ny fiainako, Ny hoaviko
Ka na tsy mendrika aza
Ataovy mpanomponao


Izaho anie ry Jesoa
Mba ta hanaraka anao (Izao)
Izany no fikasako
Fa vonona aho izao
Hanary ny hadalana
Namatotra ahy hatrizay
Raha misy fankampanahy
Ianao Jesoa momba ahy


Jesoa raiso re?
Ny fiainako, Ny hoaviko
Ka na tsy mendrika aza
Ataovy mpanomponao


·