RAISO NY FANAHY MASINA
IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka
RAISO NY FANAHY MASINA
Ry Fanahy Masina ô
Mirotsaha izao anio izao
Aminay olonao te handre sy handray ny Teninao
Toy ny Apostoly nanao fahagagana fa nitoeranao
Midina anatinay anananay fahendrena amin’ny fiainanay
Ref: Ö ry dada ôôô, ô ry neny ôoo
Zoky sy zandry
Sokafy ny fonao fa Jesosy miandry anao
Ka tongava dieny izao
Aza variana nenitoa aaa
Fohazy koa dadatoa
Ö ôôôôô an an an an an
Indrindra fa ny vady variana mibalady
Tavela any ho any
Ho anao izay mangetaheta ny ho vonjena
Ario anio ny ratsy rehetra ka aza mienaena
Raiso ny Fanahy Masina fa hampahery anao hatrany
Aza misalasala matokia omeNy anao izay irianao androany
(IRAFIA FJKM AMBOHIBAO ANTEHIROKA)