RAISO NY FAMONJENA

Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro

RAISO NY FAMONJENA



  1. Mbola ao ve ianareo e? mbola ao tsara ve?
    Toa tsy handrenesam-peo fa tena variana be
    Fidionareo anio ary izay tompoinareo
    F’izaho sy ny ankohonako hanompo an’i Jehovah!


REF:
Aza dia varimbariana intsony
Fa katsaho ilay fiainana any ambony
Fa ny eto an-tany misy fetra
Mandalo ny zavatra rehetra


Fa tsy mbola tara akory ianao
Raha toa tapakevitra amin’izao
Ataovy ny tokim-panekena
Aza mihenahena, raiso ny famonjena



  1. Mifohaza izay matory ka mitsangana
    Ialao ny torimasom-pahotana
    Henoy ny feon’i Tompo mbola miantso anao
    Anaty haizim-piton-drendrarendra lalin’izao


REF:
Aza dia varimbariana intsony
Fa katsaho ilay fiainana any ambony
Fa ny eto an-tany misy fetra
Mandalo ny zavatra rehetra


Fa tsy mbola tara akory ianao
Raha toa tapakevitra amin’izao
Ataovy ny tokim-panekena
Aza mihenahena, raiso ny famonjena


SVM-RANTSANA FANANTENANA
FJKM Kristy Fiainana Bemasoandro itaosy
A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO


·