Raiso ny dimy
Erick Manana
Raiso ny dimy
Tonony : Erick Manana
Feony : Erick Manana
Raiso ny dimy
Vola tsy latsaka an-danitra
Tsy maintsy mitady vao homana
Aleo aho hitady firotsaka
Raiso ny dimy a !
- Ny tanety malalaka e !
Ka aza ilaozanao mihahaka e !
F’izay kamo dia ho vaka re
Ho vaka ka hohitan’ny havany a !
Fiainana madalo miserana
Indrepa fa tsy mba miverina
Aza manaiky mba resiny a
Raiso ny dimy a !
Hafatrafatra ny ahy Rabe
Maitso volo ka mba mihetseha
Fa ny sipa manaraka e
Raha vao misy ary izany fanana e !
- Tsy mitovy amin’ny ao amin’ny kapila : http://www.youtube.com/watch?v=V66ZIdBJeIw