Raiso ny antsonay

Ny Tsanta Fitoriana

Raiso ny antsonay


1- Tsy indray, tsy indroa re
No lavo anie ny olonao
Rariny loatra re
Raha toa ka voahelokao
Indreto izahay Ray o!
Miantoraka aminao izao
Very izahay
Ka vonjeo!


2- Miandrandra Anao izahay
Jereo fa mafy loatra re
Ny ady izay hatrehin'
Ireto ondrikelinao
Indreto izahay Ray o!
Miantoraka aminao izao
Very izahay
Ka vonjeo!


Ref:
Raiso ny antsonay Tompo O!
(Raiso re Jesosy o!)
(Raiso ny antsonay o!)
Antson’ny fo resy anie
(Miantso Anao Mpandresy)
Resy anie ny olonao
Mijere! fa very re
Ny ondry izay Mania
A/C: AMM


·