Raiso ka vakio

TANINKETSA FJKM Ambohibao Antehiroka

Raiso ka vakio


Ny lanitra sy izao tany izao, dia ho levona
Fa ny tenin’Andriamanitra, tsy mba ho levona


Tsy mety may sady tsy mety loa, ny teninao ry Ray
Fa manana hery sy fahefana, avy any an-danitra


Tenin’Andriamanitra aina mahavelona ho an’izao tontolo izao
Fahasalamana ho an’izay mandray azy sy fiainana ho anao


SABATRA MARANITRA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Raiso ka vakio anio
TENY SAROBIDY SADY FANALAHIDY
Taiso ary tadidio


Tenin’Andriamanitra aina mahavelona ho an’izao tontolo izao
Fahasalamana ho an’izay mandray azy sy fiainana ho anao


JIRO SY FANILO MAZAVA KA MITSILO
Ny fiainantsika ety
TENY AO ANATY TSY METY LANY DATY
Fa mandrakizay doria


Tenin’Andriamanitra aina mahavelona ho an’izao tontolo izao
Fahasalamana ho an’izay mandray azy sy fiainana ho anao


·