Raiso Izy

GAFLI

Raiso Izy



  1. Moa efa noraisinao ’lay famonjena
    Avy amin’ny Tomponao?
    Moa efa navaozinao ’lay fanekena
    izay fiainam-baovao?
    F’Izy Tompo mihintsy no namonjy antsika
    Ho soloko sy ianao
    Ka raha toa ianao maniry ny ho tafita
    Dia izao, sokafy ny fonao


Fa zava-poana ihany ny fiainana eto an-tany
Mandalo sady tsy maharitra
Fa raha maniry ho any amin’ny fanjakany
Ilay tsara sady mahafinaritra
Dia Jesoa Tompo ihany no hany lalana
Raha toa ka tsy te ho ratsy fiafara
Ka ny asa mbola miandry tsy ho voasakana
Hitory ny filazantsara



  1. tsy hitondra anao mankaiza anie ny ditra
    Fa maika hamery anao
    Fa ny fanarenana ny andro sisa
    Tadiavo sy katsaho
    Raha ny eto an-tany anie mandalo ihany
    Tsy tonga lafatra
    F’efa miandry antsika any an-danitra any
    Ilay Tompo Andriamanitra


Ka ny fitondran-tena aoka ho marina
Samia manaiky ho ampianarina
Ho mendrika handroso any an-danitra
Raha tonga ny ora efa voafaritra
Dia Jesoa Tompo ihany no hany lalana
Raha toa ka tsy te ho ratsy fiafara
Ka ny asa mbola miandry tsy ho voasakana
Hitory ny filazantsara


·