RAISO AO AM-PO

Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro

RAISO AO AM-PO



  1. Raha te ho sambatra ianao izao
    Raiso ao am-po, Jesoa Tomposoa
    Ny fahazaran-dratsinao ialao
    Hanampy anao ny Ray Tsitoha


REF: Ny olanao, halàny avokoa
Omeny anao ny soa tsy lany
Hanova anao, ho tanteraka
Noho ny fitiavany anao




  1. Raha te hiadana ianao izao
    Raiso ao am-po, Jesoa Tomposoa
    Ny fiadanan’i Jesoa Kristy
    Omeny anao raha mino ianao




  2. Raha te ho tia namana ianao
    Raiso ao am-po, Jesoa Tomposoa
    Satria tena iray aminy
    Ho miramirana tokoa




A/C: RAKOTONDRASOA Josoa Edmond
By Sandy RANDRIANAIVO


·