Raiso aho, Vonona aho

Antoko Mpihira Maintimolaly FLM 67Ha

Raiso aho, Vonona aho


1-Maizina tokoa ny lalako
Takon’ny ota sy ny tsy finoako
Resy aho ankehitriny
Jesosy o, Jesosy o inty re aho


Ref 1: Raiso aho Jesosy Mpamonjy Malala o
Diovy sy hatrakao ho tonga olom-baovao
Ka hamindranao fo sy ho afaka tokoa
Indro aho Jesosy raiso ho mpanomponao


2-Reko ny antsonao Jesosy o
Miala nenina ny amiko
Manazava ny haizin-kitroka
Jesosy o, Jesosy o inty re aho


Ref 2: Raiso aho Jesosy Mpamonjy Malala o
Diovy sy hatrakao ho tonga olom-baovao
Ka hamindranao fo sy ho afaka tokoa
Indro aho Jesosy raiso ho mpanomponao


3-Mety ho mafy re ny adiko
Mahatoky aho anefa fa eo Ianao
Efa anao aho Jesosy o
Jesosy o, inty aho ho irakao


Ref 3: Vonona aho hanao izay tinendrinao
Hanao ny asanao Andriamanitra รด
Ary hatanjaho ny fanahiko
Indro aho Jeso hanao ny irakao


·