Raiso aho

AFV Anosibe

Raiso aho


Efa ela ihany no tsy tazatazana aho
Izao vao tonga saina indray hiverina
Reraka aho nivezivezy teny
Valaky ny otako, tapakevitra aho
Fa hanompo Anao indray, hanompo tsy hivadika


Ref : Raiso aho , raiso ho anao ( Raiso ho anao)
Raiso aho mba ho mpanompoNao
ô ô ô ô ô
Nanenina aho tamin’ireo rendrarendrako hatrizay
Tompo ô omeo ny famindrampoNao
Jesosy ô mamindrà fo amiko


Ho aiza intsony aho raha tsy noraisiNao
Ngamba efa kivy fo, soa fa teo Ianao
Misaotra Anao nohon’ny fitiavaNao
Fa tia ahy tokoa Ianao hatramizay
Fa hanompo Anao indray, hanompo tsy hivadika


Ref : Raiso aho…..


·