Rahoviana

Ny Antso (FDL Ambatonjara)

Rahoviana


Prelude
Rahoviana Re
Ry Tompoko
Vao Ho Tsapako
Sy Ho Haiko Tokoa
Ny Manavaka Ireo Soa
Amin’ny Ratsy Izay
Fanao Tsy Mahasoa


Rahoviana Re
Ry Jeso Tia
No Hananako
Ilay Fo Tsy Tia
Ireo Zavatry
Ny Tany Hosoka
Mety Lo Sy
Mora Potika


Ianao Irery
No Maharitra
Ao Aminao
Ny Tonga Lafatra
Ka Diahiriko
Ny Hiverina Ao
Lavitra Izao
Tontolo Izao


Interlude
Raha Nania
An-Taona Maro Aho
Dia Hiverina
Ao An-Tranon’ny Ray
Izao Vao Tsapako
Fa Hadalana
Ny Nandao
Ny Lakana Nitana


Eny Tsapako
Fa Niasa Ho Ahy
Nahasoa Ny
Saina Sy Fanahy
Fa Tao Ny Ratsy
Tao Ny Tsara
Izay Nomenao
Mba Hiainana


Tsy Hanenenako
Ny Hiverina
Asa Ianao Izay
Be Marenina
Fa Izao
Ankehitriny Izao
Hody Aho
Rahoviana
No Hody Ianao


Tsy Hanenenako
Ny Hiverina
Asa Ianao
Izay Be Marenina
Fa Izao A
Ankehitriny Izao
Hody Aho Rahoviana
No Hody Ianao


·