Raha vao nahita anao

Handyh

Raha vao nahita anao


Raha vao nahita anao aho avy lavitra any
Dia le endrikao sarika no tazako avy hatrany
Fa nahafinaritra ahy izato fihetsikao
Maontimaontina fiteny, malefaka fijery


Bridge:
F’izaho te anantona anao,
Ho eny aho nefa tsy ho fantatrao
Tsy hitako izay ho atao


Refrain:
Topazo maso kely aho raha mila ahy ianao
Araho tsiky kely raha azo atao
Fa ho avy aho, ho eo anilanao
Topazo maso kely aho raha tia ahy ianao
Ampio tsiky kely raha azo atao
Fa ho avy aho, ho eo akakinao


Lasa saina teo aho nieritreritra anao
Nofinofy ihany angamba no nahitako anao
Te ho eny aminao eny aho nefa tsy sahy, hummmm
Ianao aza moa tsy mahalala ahy


Bridge:
Fa misy teny tsy haiko hafenina
ouhouhouh
Fa mba tiko ho tenenina
ouhouhouh
Ka raha tsy ho eny aho anenina


·