Raha tsy Jeso
AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana
Raha tsy Jeso
Iza no mandamina izao rehetra izao.
Raha tsy Jeso, Jeso, Jeso.
Iza no mitondra ny soa ho anao.
Tsy misy afa-tsy Jesoa.
Fa raha tsy Jeso, Jeso.
Nanao ahoana isika izao.
Fa raha tsy Jeso.
Angamba tsy toy izao.
Fa Jeso no ’lay masoandro
Hanazava ny aizin’izao tany izao.
Ilay loharano mitondra soa.
Ny soa sy ny tsara indrindra ho anao.
Fa raha tsy Jeso (dia maro)
Maro angamba no tsy teto intsony o!
Fa raha tsy Jeso (moa efa)
Moa efa nosaininao?
Iza no nampisy an’ireo maraina vao.
Raha tsy Jeso, Jeso, Jeso.
Zay mitondra aina sy tsiky ho anao.
Tsy hafa fa i Jeso.
Fa raha tsy Jeso,
Ho zary elo zao fiainana izao.
Fa raha tsy Jeso.
Angamba tsy nihomehy toy izao.
Misy maro anio no mifaly aminao
Re ry Jeso, Jeso, Jeso.
Noho ny soa tsy lany atobakao ho azy.
Hatramin’izao ry Jeso
Fa noho ianao ry Jeso ( Jeso)
No ahavelomany tahaka izao.
Fa noho ianao ry Jeso (dia mbola.)
Mbola eto ihany izy ireo.