RAHA TSY JEHOVAH NO MANAO NY TRANO
Feo Mahafaly ny Ziona (FMZ)
RAHA TSY JEHOVAH NO MANAO NY TRANO
RAHA TSY JEHOVAH NO MANAO NY TRANO - FMZ
Raha tsy Jehovah no manao ny trano (Raha tsy Jehovah)
Dia miasa fona ny mpanao azy
Ny finoana tsy arahan’asa tsy mba ho vanona
Ary ho zava-poana e ; ho zava-poana ihany !
Ilaina ny mifampivavaka ry fiangonana oh
Hametrahana eo Aminy ny fikasàna rehetra
Ifanentan’ihany koa ary ifanohana
Dia hiasa miaraka ; ka iray ny tanjona ho kendrena
Mifalia sy miravoa ianao ry zanak’I Ziona oh
Fa mahagaga ; mahagaga ny fitondràny
Indro fa mirotsaka aminao ny andon’ny lanitra
Koa mahereza ; herezo re ny dia !
T&F : RAVELOSON Fenosoa
FMZ