RAHA TSONTSA
Dany Ranoa
RAHA TSONTSA
Raha tsotsa, lahy, ‘lay silaky ny aina
Dia aza atositosika na latsaina !
Raha diso ka potrak’ilay olon-tiana :
Areno malaky fa aza tsindriana !
Ny fitiavana : tsy mifanala-baraka
Satria farimanga mifaningo-paka,
Sy tantely manatody amim-pary:
Miray samy mamy ka tsy mifanary !
Vilany mihilana : adidin’ny toko !
Koa raha ny solanga no mihajoko
Vonjeo fa tsy tokony afoy velively
Areno dia ataovy fitia fozakely !
Dany Ranoa 1958