RAHA TOA AHO KA NISAINA 0021
BOKIN-KIRA FIDERANA
RAHA TOA AHO KA NISAINA 0021
- Raha toa aho ka nisaina
Ny andro lasako Jeso
tsaroako fa nijaly aho
Fony tsy nahalala anao
He mitamberimberina ao an-tsaiko lava izao
Ny ota sy ny ratsy rehetra izay natao
Fiv. Onena ahy ianao
Ka nandray ny tanako
Namerina amiko indray ny fiadanako
Ka ny fijaliako hatrizay tsy hotsaroako
Fa efa miandrandra anao Jeso ny foko
Endrey izany izaho nanara-tsitrapo
Tsy nahalala akory fa ianao mahita ahy
Ka dia nihevitra aho fa olon-tsambatra tokoa
Ny nofo hay no faly fa ory ny fanahy
Indrisy meloka aho tsy mendrika anao
Kanefa avelao aho hanonona ny anaranao
Fa sao aho mba mahazo Famonjena avy aminao
Ekeo aho Tompo o, hanaradia anao