Raha sendra
Feon'Kalvary
Raha sendra
Raha sendra ka manirery ianao ka tojo fahanginana
Toa lasan’eritreritra sy manimanin-kavana
Raha misy zava-tsarotra mandreraka ny saina sy ny fo
Inty mba misy hafatra sy bitsika ho anao x2
Ô raiso re ty hirako
Ô raiso mba ho namanao
F’inty no solotenako hamangy sy hampitraka anao
Ka na dia lavitr’aza elanelan-tany
Ny hirako mitondra an’i Jeso
Mba hampahery anao
Raha sendra ka manirery ianao ka tojo fahanginana
Toa lasan’eritreritra sy manimanin-kavana
Raha misy zava-tsarotra mandreraka ny saina sy ny fo
Inty mba misy hafatra sy bitsika ho anao
Ô raiso re ty hirako
Ô raiso mba ho namanao
F’inty no solotenako hamangy sy hampitraka anao
Ka na dia lavitr’aza elanelan-tany
Ny hirako mitondra an’I Jeso
Mba hampahery anao
Fa ho avy ny fotoana, Hihaona tsy hisaraka
An-tongotr’I Jesosy, Hihira tsy hitsahatra
Hiaraka hanandra-peo Sy hifanatri-tava
Hampiombom-peo isika sy Jeso, Hihira foana isika