Raha ny sofina
Antoko Mpihira MORIA
Raha ny sofina
Raha ny sofina no tsy mandre Satria iniavina tampenana
Ka manimba zava-dehibe , ka manjary hanenenana
Fa mba satrin’ny marenina, ny hiaino feo samihafa
Tsy sitrany hamerimberina , hikiahana mitafa
Koa asakasakao zay manana sofina izay afaka handre
Tsy handala izay ananana Hinia harenina ary ve
Fa nomena anao ny tsara Handraisanao izay lazaina
Tombony io, ary zara, Tandrovy , aoka ho lalaina
Fahiny mantsy nisy feo, Niantso mafy tany an’efitra
Feo manjary mankaleo, ho an’ireo tsy tia handefitra
Feo tsy azo nosakanana, nilaza asa fiomanana
Niantso hanamboatra lalana , lalana ho an’ny fiadanana
Ny mikitaona ho totofana, hahetry koa ny tendrombohitra
ny lava-davaka rakofana, sorohina izay mivohitra
Dia atao mahitsy izany, mba ho lalam-baovao
Ho an’ilay mpanjaka tamy, avy ao aoriana ao