RAHA MOMBA

Naly Rakotofiringa

RAHA MOMBA


     Ny tsy mba miteraka hono

Dia maniry ny mba hampinono
Mitsiriritra ny zanaky ny olona
Ho sangiana sy hitolontolona

Ny tsy miteraka anie ka mangidy
Ny zaza dia tsy mba voavidy
N’inon’inona vola eo an-tanana
Raha tsy anjara dia tsy mety manana

Ny tsy miteraka dia mahavatra
Manangana zaza mahantra
Mikolokolo ny tsy an’ny tena
Mandova ny vola sy harena

Ny tsy miteraka anie ka mangina
Fa tsy misy ho rotsirotsiana
Tsy mba manana ankizy antsoina
Ny an’ny hafa no safosafoina

Fa hoy ny tenin’ny mahay milaza
Anjely jamba hono no mpizara zaza
ka izay misy mitomany ihany
No hanaterany betsaka hatrany

Naly R.

·