Raha mino Azy

Hosana Ambohijatovo Fitiavana

Raha mino Azy


Raha mino Azy


Hajao ka toavy ilay Tompo mialoha anao
Ny voa izay nafafy na ireo asa mafy ho ambininy
Raha misy hakiviana soloy fifaliam-po
Ny zava-mafaitra tsy ho ela dia ho mamy tokoa


Ny ainy aza foiny noho ny aminao
Ny kapoka, latsa dia samy natao
Nijaly ny Tompo nitondra ny feriny
Kanefa tsy nampiova ny heriny
Raha misy hakiviana soloy fifaliam-po
Ny zava-mafaitra tsy ho ela dia ho mamy tokoa


Banjino ny ampitso izay mbola tsy fantatrao
Ny andronao sisa hatokany mba ho fihavaozana
Omeo toera-mendrika am-ponao ny Anaranay
Hifaly eo anilany ianao any am-parany


Ny ainy aza foiny noho ny aminao
Ny kapoka, latsa dia samy natao
Nijaly ny Tompo nitondra ny feriny
Kanefa tsy nampiova ny heriny
Omeo toera-mendrika am-ponao ny Anaranay
Hifaly eo anilany ianao any am-parany


Hifaly eo anilany ianao any am-parany
Hifaly eo anilany ianao any am-parany


·