Raha mba sitrakao

None

Raha mba sitrakao


Tsy mba mankalao ahy
ireo mombanao
Fa te hampifoha hatrany hatrany
Ilay nofy tao


Manantena ny ho tojo anao
na anio na rahatrizay
Ity foko sasa-miandry anao mba handray


Ref:Fa raha mba sitrakao
Dia raiso aho re mba ho silam-panahy
Teny iray dia ho ampy ahy
Ilay hoe Eny tiako ianao mandrakizay


Ny lasa niainanao sy ireo be lazao
Tsy ahalavo ahy
Efa babo sy jamba loatra anao
Ny fo sy fanahy


Tiako ianao nefa tsy an-tery
ilay tena fitiavanao
No iriko mba iara-dalana


Ref:Fa raha mba sitrakao
Dia raiso aho re mba ho silam-panahy
Teny iray dia ho ampy ahy
Ilay hoe Eny tiako ianao mandrakizay


A/C:Mi tendry M’Ci
(IANJAHARIVONY PASCAL)


·