Raha mba fantatrao

None

Raha mba fantatrao


RAHA MBA FANTATRAO


Raha mba fantatrao fa Andriamanitra
Ilay nahary anao sy izao tontolo izao
Raha mba fantatrao fa izy irery ihany
No afaka manaisotra ny otanao eeh
No afaka manaisotra ny otanao


Fa mendrika ho deraina ny Anarany
Fa mandrakizay ny famindrampony
Asandrato mafy Andriamanitra
Fa be indrafo sy be fitiavana eh
Fa be indrafo sy be fitiavana


Raha mba fantatrao fa Jesosy Kristy
Ilay nisolo ny otako sy ny otanao
Raha mba fantatrao fa any aminy any
Ilay fiadanana ho ahy sy ho anao eeh
Ilay fiadanana ho ahy sy ho anao


·