RAHA MAHATSIARO AHY IANAO

Jon Mos

RAHA MAHATSIARO AHY IANAO


Raha mitamberina ao an-tsainao
Ilay fitiavantsika hatrizay
Tiako ho fantatrao
Fa tsy niova eny hatramin’izao
Ilay fitiavako anao, ianao no efa ahy
Fitiavana iray ho mandrakizay
Eny tiako ho ao am-ponao ireny
Raha mahatsiaro ahy ianao  


Malahelo ianao
Ny hanohy irery ny fiainanao
N’efa hatanjaho ny saina
Ka banjino ny ho avinao
Eny iriako, eny ho sambatra ianao
Hahita izay ho mendrika anao
Eny tiako ho ao am-ponao ireny
Raha mahatsiaro ahy ianao


Feon-kira…


Eny iriako, eny ho sambatra ianao
Hahita izay ho mendrika anao
Eny tiako ho ao am-ponao ireny
Raha mahatsiaro ahy ianao x2


©2020


·