RAHA IZY ANAO

Dadi Love

RAHA IZY ANAO


Na hiaretako ny faran’ny mafy
Ny mba hiarovako anao,
Na handaniako ny androm-piainako jiaby
Ny ankilanao e!


Ny anjaranao izay simba taloha,
Ho soloiko ho tena vaovao e!
Hataoko izao rehetra izao
Raha izy anao.


Nahafoizako ny ray aman-dreniko noho ny fitiavako anao,
Nialàko aby ireo kamaradiko noho ny aminao e! ie!
Ho atrotrako aminao re ny vatako e!
Hanomezako taranaka anao e!
Hataoko izao rehetra izao
Raha izy anao.


Aiza ny tananao ho tantanako e!
Tiako raha izaho hitondra ny anaranao e!
Mba ho zaraiko anao ny hasambarako e!
Ho ataoko izao rehetra izao,
Raha izy anao.


Tiako manambara aminao e!
Tena tiako ianao o!


Mba tiako manambara aminao e!
fa anao fahiniko o! o! o!
Tsy ho vitako ny hamitaka anao e!
Ho atsangako ny tanan-kavanako e!
Haraoko izao rehetra izao
Raha izy anao.


Aiza ny tananao ho tantanako e!
Tiako raha izaho hitondra ny anaranao e!
Mba ho zaraiko anao ny hasambarako e!
Ho ataoko izao rehetra izao,
Raha izy anao.


Aiza ny tananao ho tantanako e!
Tiako raha izaho hitondra ny anaranao e!
Mba ho zaraiko anao ny hasambarako e!
Hataoko izao rehetra izao,
Raha izy anao.


Aiza ny tananao ho tantanako e! (tananao e!)
Tiako raha izaho hitondra ny anaranao e! (mmm malala e!)
Mba ho zaraiko anao ny hasambarako e! (hasambarana e!)
Hataoko izao rehetra izao,
Raha izy anao.


·