Radio

Iraimbilanja

Radio


Sendra reko anikeo
Tao anatin’ny onjampeo
Lay hiranao
Hira mitalaho
Tsy haiko aloha zay lohateniny
Fa ny tsaroko dia ny feony
Mampatsiahy ahy indray
Izay lasa izay


Somary gaga ihany aho raha nandre
Satria an-taona maro izy izay tsy mba nandeha


Nakariko mafy ny radio
Nanjary nisioka aho nony avy eo
Narahina dihy
Nanembona an-ndry
Variana loatra aho nilalao
Tonga ny ora filazam-baovao
Dia tapaka hatreo
Ilay hira teo


Somary gaga ihany aho raha nandre
Satria an-taona maro izy izay tsy mba nandeha


Fahatsiarovana no mitoetra
Tantara izay vita rehetra
Tehirizin’ny onjampeo
Sanatria tsy hankaleo
Mino aho fa any lavitra any
Misy misento mitomany
Malahelo ao am-po
Mahatsiahy ny taloha


Sendra reko anikeo
Tao anatin’ny onjampeo
Lay hiranao
Hira mitalaho


Somary gaga ihany aho raha nandre
Satria an-taona maro izy izay tsy mba nandeha


·