Rànao Masina
TA.FA.MA (Taratry ny Fahazavana Mahazoarivo)
Rànao Masina
1- Amafisinay fa ny ràn’i Jesosy
No nanafaka ny fahotantsika
Fifaliam-be ery ho antsika rehetra,
Ka misaotra anao izahay ry Ray be indrafo
1- Amafisinay fa ny ràn’i Jesosy
No nanafaka ny fahotantsika
Fifaliam-be ery ho antsika rehetra,
Ka misaotra anao izahay ry Ray be indrafo
Isan’andininy(*2): (Ou ô ou ô ou ô)
Andriamanitra Ray be fitia,
Indreto izahay miankohoka aminao
Fo faly ravoravo no indro atolotra
Fa navotanao izahay tamin’ny RANAO MASINA
2- Ambarao torio ho ren’izao tontolo izao
Ny fanavotan-dehibe nataon’ny Ray
Aelezo hatrany ny fitiavany anao
Aza menatra mitory ny filazantsara
2- Ambarao torio ho ren’izao tontolo izao
Ny fanavotan-dehibe nataon’ny Ray
Aelezo hatrany ny fitiavany anao
Aza menatra mitory ny filazantsara
Isan’andininy(*2): (Ou ô ou ô ou ô)
Andriamanitra Ray be fitia,
Indreto izahay miankohoka aminao
Fo faly ravoravo no indro atolotra
Fa navotanao izahay tamin’ny RANAO MASINA