Potika sy Revo

Andry & Noely

Potika sy Revo



  1. Fa tena potika sy revo t@-dry aho marina mafy,
    Saingy tsy namboraka izany fa naleoko indray niafy.
    Vao nihodina anefa aho dia injay, inty ilay tovolahy iray,
    Nisankambina anao izy io, tsy mba nanana ahiahy!.

  2. Tsy nitankemotra aho akory fa naka bahana ary dia nitanisa,
    Amin’ny lainga tsara lahatra sy resa-be mampandriadrisa.
    Narotsaka ny teny mirindra, nampiarahana fihetsika ary nahavariana,
    Nitankerika indray ry zareo ka nilaza nanao hoe:…
    Fiv: Efa nosongonany tokoa aho, anefa tamin’izany ts’isy todim-pitia.
    Tsy mba nitanondrika aho satria, mbola betsaka ireo miandry ahy, betsaka ny tsara.
    Tsy hidi-kizo aho rehefa tsy anjara.

  3. Raha ny tiana no tsy azo dia mazàna mankarary ny an-doha,
    Dia nantsoiko indray hamerina ny lasanay ilay tiako taloha.
    Saingy ny antsoko efa tara aoriana, izy mantsy lasan’olona @ fanambadiana,
    Efa vonona ny hanamafy, hiezaky ny tsy hampirafy.

  4. Sanganehana ny tena fa tsy nety foana izay mba natao,
    Kanefa dia tsy kivy fa dia tsy kivy….


·