POROFON'NY FITIAVANAO

GALAF

POROFON’NY FITIAVANAO


1-Ianao ry Tompo novonoina, noratraina nohomboina koa
Mafy taminao tokoa izany , nefa dia tsy maintsy nentinao


_Na ny latsa na ny esoeso
Tsy mba nampiraika Anao Jesoa
Ny navalinao izany anefa
Dia vavaka famindram-po
(Hay porofon’ny fitiavanao ‘zay rehetra niaretanao)


2-Tao ireo izay nahatsiaro tena, mba hanaraka ny dianao
Drisy be tokoa ny halemena , ka nanda tsy ho mpianatrao


_Dia Ianao irery sisa Tompo
No nizaka fahoriana tao
Dia natolotrao ny tenanao
Mba hamonjena anay mpaniasia
(Hay porofon’ny fitiavanao ‘zay rehetra niaretanao).


·