Porofom-pitiavana
Mami Bastah
Porofom-pitiavana
Eo ambody fefy aho no miandry anao
Isankariva maizimpito
Tsy miala teo mihitsy aho mandrapahatonga anao
Porofom-pitiavako anao (2fois)
Na lohataona maina na ririni-mamirifirify
Hiafiko iaretako hatrany e
Ny foko mazoto ny saiko mikiry
Porofom-pitiavako anao (2fois)
Na orana mikija na rivotra mifofo
Tsy afa-manakana ny diako o
Hodiako tsy hita ny tadio mitorajofo
Porofom-pitiavako anao (2fois)
Refrain:
Sonenika ery he mikotaba
Entanim-pitia toa tsy ho rava
Namela ratra ao ampo
Tsaroana ka kalokaloina (2fois)
Sonenika ery toa tsy hifandao
Entanim-pitia toa tsy ho lao
Eo ambody fefy no milalao
Tsaroana ka kalokaloina (2fois)
Ireo teny mamy nataonao ahy
Mandrotika fo sy fanahy e
Ireo sangisangy manapa-tsinay
Porofom-pitiavanao ahy (2fois)
Any ampianarana aho tsy mety mahay
Ny saiko makany aminao
Zero sur vingt ny ao anaty bulletin
Porofom-pitiavako anao (2fois)
Refrain:
Sonenika ery he mikotaba
Entanim-pitia toa tsy ho rava
Namela ratra ao ampo
Tsaroana ka kalokaloina (2fois)
Sonenika ery toa tsy hifandao
Entanim-pitia toa tsy ho lao
Eo ambody fefy no milalao
Tsaroana ka kalokaloina (2fois)
Any aoriana any afaka 60 taona
Dia mbola hifankatia zaho sy ianao o
Eo ambody fefy ihany no fanaovana fotoana
Porofom-pitiavako anao
Porofom-pitiavanao ahy
Ividiananao perruque lay voloko efa manify
Ho porofon’ny fitiavanao ahy oo
Lay vavanao banga itondrako solonify
Porofom-pitiavako anao (2fois)