Paradisa Mandrakizay

TAFIA ( tanora fifoahazana Anosivavaka)

Paradisa Mandrakizay



  1. Tsy mba tantara na anganongano
    no ambara aminao
    fa ny filazantsara
    dia fanambarana tsy manampaharoa
    harena sarobidy
    dia ny fitiavana


ampitomboy ny finoana
tano mafy fa soa mirona ianao
ka ho lavo
koa sahia mivavaka
fa Jesoa tsy manavaka
na iza na iza


Réf : fa mpandresy izay miaraka aminy
paradisa no ho vantaniny
fifaliana sy fiadanana
no homaniny mandrakizay
ho anao



  1. Tsy mba sandaina na koa atakalo
    fa maimaimpona
    dia fiainana tsara
    natolony anao hatramin’ny ainy
    mba ho famonjena
    ho amin’ny fiainana


A/C : Toky Rakoto


·