Palestina blues

Rossy

Palestina blues


Tsy nino ny saina raha tsy efa nahatazana
Fa misy olo-miaina tsy manan-tanindrazana
Miaina anaty lay, fiainana an’anjoanjo
Izay tany misy ahy, voazaran’ny voanjo
Ny tena kere tsy afaka haninona
Toa vahoaka be ny any Palestina.


Toa alika romotra mandramatra i Begin
Mandriaka ny rĂ , miady anie ny ady
Zaza amam-behivavy tao Shatila
Ankizy sy tanora tao Sabra
Mangina i Sadat, manameloka am-bava
Ny Firenena Mikambana toa tsy hanova inona
Toa vahoaka be ny any Palestina


Hira ity ka hira, izaho tsy mpahay politika
Tsy te-hahalala Israely na koa Amerika
Fa ny hany fantatro dia zo ny miaina
Tsy rariny, tsy hitsiny ny manao vono-moka
Tsy rariny raha misy aina tsy hanana n’inon’inona
Omeo tanindrazana ny Palestina.


·